Hosokafana ny Asabotsy 20 Oktobra 2007 izao ny taom-panabeazana 2007-2008 ho an'ny fivondronana fanantenana faha 252, ny toerana dia eny Tsimbazaza. Ny andinindininy rehetra dia azon'ise anontaniana ny mpiandraikitra na ny biraon'ny Komitim-pivondronana
Aoka samy ho vonona ny tsirairay ho fiatrehana izany.
Tapitra izay ny taom-pitaizana 2006 - 2007,ary dia hiatrika ny taom-panabeazana 2007 - 2008 ny fivondronana faha-252 izao; hatao amin'ny 20 Oktobra 2007 izao tokoa mantsy ny fanokafana ny taom-panabeazana ho an'ny fivondronana manokana raha toa ka ny 13 Oktobra 2007 izao ny an'ny foibe MTEM ary ny 14 Oktobra izao ny an'ny Faritany Mapanazava sy Tily Antananarivo Atsimo.